Kalaza NBA ho avy eto  : Tetikasan’ny filoha sy ny Praiminisitra

Nohamafisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa ho avy eto ireo kalaza mpilalao basikety ao amin’ny fifaninanana NBA any Etazonia, ahitana an’i Anthony Tolliver sy Sylvia Fowles. Tafiditra indrindra anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian, izao fahatongavan’ireto vahiny ireto izao ho fampiroboroboana ny sehatry ny fanatanjahantena eto Mada­gasikara. Raha ny fandaharam-potoana, hanao “match de gala” amin’ny taranja basikety sy hanatanteraka asa soa ho an’ireo vahoaka sahirana izy ireo. Hisy ihany koa ny fitsidihana faritra roa eto amin’ny firenena, ahitana an’ Antananarivo sy Mahajanga. Tsiahivina, i Sylvia Shaqueria Fowles, efa indroa tompondaka “Women’s National Bas­ketball Association” (WNBA) tamin’ny 2015 sy 2017, tao amin’ny klioba Lynx du Min­nesota, ary voafidy ho mpilalao mendrika tamin’ny famaranana ny WNBA sy i Anthony Tolliver izay nandray anjara tamin’ny NBA D-League All-Star (2010) sy ny First-team All-MVC (2007) ary ny All-MVC Scholar-Athlete First Team (2007) ireo vahiny ho avy eto ireo.

Mi.Raz

Partager sur: