SOMBIM-BAOVAO

Efa any Seychelles ny delegasionina Barea de Madagascar, hiatrika ny “CJSOI 2025”. Mahagaga tamin’ity zava-misy ity, tsy misy lisitra nivoaka momba ireo mpilalao miatrika izany any an-toerana, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasionina hatramin’ny omaly alina, nanoratanay. Tsara ny mampahatsiahy fa ilain’ny mpankafy hatrany ny mahafantatra ny mpilalao miaro ny voninahi-pireneny amin’ny fifanintsanana tahaka itony.

Taranja iray tsy mbola nahenoina feo mihitsy tato ho ato ny taranja Taekwondo WT sy ny Bisikileta. Ny Rafitra federalin’ny Taekwondo, vao haingana no nahazo filoha vaovao. Etsy ankilany, ny bisikileta, efa manana lohany efa teo hatramin’ny ela, saingy tsy manomana hetsika mihitsy tato ho ato. Mangina tanteraka ireo taranja roa ireo, mety miasa mangina na miandry fanampiana vao hietsika.

Hotanterahina any Italie, ny alarobia 13 aogositra ho avy izao, ny lalao famaranan’ny “Super coupe d’Europe”, taranja baolina kitra, izay hikatrohan’ny Paris Saint Germain Fc, frantsay, sy ny Tottenham Hotspur, anglisy. Tsara ny mampahatsiahy fa ny PSG no nahazo ny “Ligues des Champions” tamin’ity taona ity ary ny Tottenham kosa, nandrombaka ny “Europa Ligue”.

Partager sur: