Namoaka fanambarana manoloana ny fihetsika nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM).
Nambaran’ny Holafitra tamin’izany fa tena tohina sy malahelo noho ny fihetsika sy teny izay heveriny ho tsy mendrika sy fanaovana tsinontsinona nataon’ny Jly Ravalomanana Richard izy ireo. Anton’izany ny tamin’ny namaliany ny fanotanian’ny mpanao gazety iray tetsy Anosy, ny 30 jolay lasa teo. Mazava ny fanambaran’ny OJM.
“Tsy mpikambana ao amin’ny parlemantera ny mpanao gazety, na mpahay lalàna. Manangona sy mamoaka vaovao marina no andraikiny, manazava amin’ny vahoaka ny zava-misy”, hoy ny fanambarana. Nanterin’ny OJM koa fa mametraka fanontaniana tokony hapetraka ary mitaky valiny marina avy amin’ireo tomponandraikitra ny mpanao gazety.
Tsindry ara-moraly
Hentitra ny eo anivon’ny OJM tamin’ny fanambarany fa mampibaribary ny tsindry ara-moraly atrehin’ny mpanao gazety malagasy ny fihetsika tahaka izany.
“Raisina ho fanitsakitsahana ny asa fanaovan-gazety ny endrika tsindry na faneriterena rehetra”, hoy ihany ny eo anivon’ny OJM.
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana etsy Anosikely ity fa tsy mahay ny asany ary tokony hiverina mianatra ilay mpanao gazety nanontany azy momba ny tokony hanaovana fanadihadiana parlemantera momba ilay raharaha “Boeing 777” miisa 5 lasa any Iran, miteraka resabe amin’izao fotoana izao.
Synèse R.




