Fangaraharana hoe… 

Mila manana fitadidiana be, hono, izay mandainga. Sao voafandriky ny laingany amin’ny farany raha miovaova izay lazainy. Tsy vitan’izay, raha vao mandainga indray mandeha amin’ny raharaha iray, voatery mandainga hatrany hanamarinana ny lainga na handaingana ny marina. Hafa ihany ny mandeha amin’ny fahamarinana: tsy miovaova, matoky tena… Inona no ilazana izany? Saika mahabe resaka sy adihevitra ny trangan-javatra tato ho ato: fanapoizinana ara-tsakafo, fiaramanidina Boeing 777 hita tany Iran… Na izay tsy mahalala inona aza, manararaotra mitaky ny marina hamendrofendroana, hanakiviana, hanakorontanana…
Izay no maha zava-dehibe ny marina amin’izay lazaina sy atao: atao izay lazaina, lazaina izay atao. Vaky bantsilana. Mby amin’ny hoe: vato atora-pody, tsy mataho-bary ho raraka. Tsy atahorana ny vokatry ny famoahana sy filazana ny marina. Tsy efa nanao izay ve ny fitondrana amin’ireo raharaha mafanafana ireo? Mba hahay mangina ahay ny mpanararaotra amin’ny fanelezana vaovao tsy marina, fanaratsiana, fanakorontanana… Rehefa tsy avoaka sy lazaina ny marina, mahazo vahana ho azy ny siosion-dresaka, honohono, tsaho. Izay no miantoka ny fifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina? Eny, na eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra aza: fifampitokisana.
Izay no hoe fangaraharana? Lazaina izay tokony ho fantatra fa tsy atao ankifonofono mampisy honohono. Tsy iandrasana inona na anahiana korontana vao ikoropahana, fa tsy bado na bodo ny vahoaka. Iza no mangorohoro amin’ny mangarahara? “Afa-mamitaka ny olon-drehetra ianao indraindray, afa-mamitaka ny olona sasany amin’ny fotoana rehetra; fa tsy afa-mamitaka ny olon-drehetra amin’ny fotoana rehetra”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha iray, i Abraham Lincoln.

R. Nd.

Partager sur: