Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro teo, ny tranombakoka sy ny efitrano fitahirizana antontan-taratasy momba ny fandrefesan-tany, etsy Anosy, ao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tonga nitokana izany, teny an-toerana, ny zoma teo, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Teo koa ireo tale isan-tokony eo anivon’ity minisitera ity.
Ahitana tranombakoka momba ny fandrefesan-tany sy ny rafitrano fitahirizana antontan-taratasy sy fampahalalana izany fotodrafitrasa izany.
Anisan’ny mampisongadina ity tranombakoka ity ny fahitana ny tantara sy ny fivoaran’ny fitaovana ary ireo antontan-taratasy nampiasaina hatramin’ny taona 1896. Ho an’ny efitrano fitehirizana kosa, natao hanomezana sehatra ho an’ireo mpianatra manao fanadihadiana sy ireo misehatra amin’ny fikarohana. Natao ho an’ireo mpanjifa koa izany mba hianarana sy hikarohana ireo antontan-taratasy sarobidy momba ny fananantany. Anisan’izany ireo gazetim-panjakana “Journaux officiels”, nivoaka voalohany teto Madagasikara, mbola voatahiry amin’izany toerana izany hatramin’izao fotoana izao.
Nivoitra tamin’ireo lahateny nifandimbiasana fa natao hitehirizana sy hampitana ny tantaran’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy ireto toerana roa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ireto.
Synèse R.




