Tsy zava-baovao amin’ny sofina intsony fa toy ny sakafo fihinana isan’andro ny fandrenesana tsy fifankahazoana eo amin’ny ligy sy ny federasionina. Mahavalalanina ihany anefa fa raiamandreny sy zanaka ka tsy mifampiaino intsony. Ny iray kizitina, ny iray be kirina, hany ka mihenjan-droa mifampisintona havia sy havanana. Sakay sy tsiperifery io ka samy manana ny ngidiny. Sakamalao sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy.
Mampivarahontsana fa mifandaka toa valala an-karona ka samy mandrirotra izay tiany hororitina. Miaina izany ankehitriny ny Federasionina malagasin’ny lalaon-tsaina «echec» sy ny ligin’Analamanga. Toy ny vazaha fito an-trano ka samy te ho lohany avokoa. Tsy misy manana tombontsoa ao anatin’ny fisavoritahana ary potika voalohany amin’izany, ireo mpilalao. Very fanahy mbola velona izy ireo ary tsy mahita hazo hiantsapazana. Sakay sy tsiperifery tokoa ka samy mitondra ny ngidiny. Ny olana misy hatrany saingy ny vahaolana tsara indrindra dia ny fifampiresahana sy ny fifandeferana. Izay tsy miady mantsy olo-bodo. Tsy misy mpanefy natao tsy ho may ary tsy misy mpantsaka natao tsy ho lena. Tsy misy olombelona natao tsy ho diso fa ny mikiribiby aman-keloka no ratsy.
Tandremo ihany fa ny tendrom-po tsy mba namana ary ny fo lentika tsy hananan-kavana ka sao hanao tahaka ny sakay sy tsiperifery ka samy manana ny ngidiny.
Tsy misy mangidy tahaka ny sakay, fa raha tiana mahavelon-tsioka. Tokony samy hampirina ny hambom-pony avy ny andaniny sy ny ankilany.
Tsy tsara ny mihambo ho tsara elo ka mihantsy orana. Na mihambo ho mafy varavarana ka miantso mpamaky trano. Aleo ihany mitandrina fa ny mahery tsy maody tsy ela fiainana.
Tompondaka




