“Fanatanjahantena ao anatin’ny fitoviana sy ny firaisankina” no lohahevitra ho an’ny fifaninanam-pirenena Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief) taona 2025. Fifaninanana tontosaina ao Mahajanga, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 aogositra lasa teo, teny amin’ny “Village Touristique” Mahajanga. Diabe niainga teny amin’ny Barea no nanombohana ny hetsika, izay notarihin’ny minisitra maromaro eo anivon’ny governemanta sy ireo andrimpanjakana hafa ary ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Nafonja ny kabarin’ny filohan’
ny Asief nandritra ny lanonam-panokafana sady nanavaony ihany koa ny fangatahana amin’ny hanomezana lanja ny fanatanjahantena eny anivon’ny minisitera sy andrimpanjakana tsirairay. 90 isan-jaton’ny mpiasam-panjakana ankehitriny no manao fanatanjahantena, midika izany fa zava-dehibe ny fisian’ny Asief izay mikarakara hetsika ara-panatanjahantena toy izao. Nangataka ny filohan’ny Asief mba hanomezana tapakandro isan-kerinandro ho an’ny mpiasam-panjakana hahafahana manao fanatanjahantena. Efa manomboka ny fifaninanana ary hitohy hatramin’ny 15 aogositra izao.
Mi.Raz




