Hotanterahina any Mahajanga, ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao, ny «Rallye vacances”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana karakarain’ny klioba Gojang. Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tomponandraikitry ny klioba tetsy Soarano, ny sabotsy lasa teo, no nahalalana fa misy zava-baovao nentina ho an’ity andiany faha-18 ity. Anisan’izany ny fanovana natao ho an’ireo dingana manokana «ES». Nisy mantsy ireo nakambana ho iray. Mba hisian’ny tena fifaninanana hahafinaritra ny anton’ izay, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Ankoatra izay, misy ihany koa ny dingana manokana eo an-tanàna sy ny amin’ny alina. Ity farany izay hotanterahina ny andro faharoa ka arakaraka ny fe-potoana azon’ny mpanamory amin’ ny andro voalohany no hiaingana amin’izany.
Hotanterahina manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga izany rehetra izay. Mirefy 218, 22 km ny halavan’ity “Rallye vacances ity”, izay misy dingana manokana miisa 12, mirefy 121, 6 km. Hanana ny lanjany goavana ity dingana fahatelo ity, satria manana lanjan’isa 1,5. Hanolotra mpanamory miisa 7 ny Gojang amin’ity ka saika hiadiany ho lohany avokoa ireo sokajy rehetra. Misy rahateo ireo fiara matanjaka afaka mifaninana tsara amin’ity “Rallye vacances” ity.
Dingana manokana miisa 3 no hotanterahina ny andro voalohany. Efatra kosa ho an’ ny andro faharoa ary miisa dimy ny sabotsy mamarana ny hazakazaka.
Torcelin




