Tsy mampitsanga-menatra ny toerana misy an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manga mihitsy ny lanitra raha resaka diplaomatika. Nanomboka omaly, ohatra, ny fivoriamben’ny mpiasa eo anivon’ny Sadc, izay notarihin’ ny sekretera mpanatanteraka. Mahazo vahana amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany ny Malagasy. Tena tsy mampitsanga-menatra ny zava-mitranga ankehitriny.
Efa hanatrika ny fihaonambe eto avokoa ny firenena 16 avy aty atsimon’i Afrika. Fankatoavana rey olona tsy misy ohatr’izany?
Toraka izany na eto anivon’ny ranomasimbe Indianina, manana ny toerana maha-izy azy i Madagasikara. Porofo iray mitohoka amin’ny tenda ny lalaon’ny tanora, ao Seychelles. Mirarakompana ny fandresena azon’ny atleta sy ny tanora malagasy. Tsy latsa-danja amin’ny vokatra azo. Mitsiriritra izany hoe “Nosy lehibe” izany avokoa ny olona. Tsy ampoizin’ny maro ihany koa ny tanjaka sy ny talentan’ mpandray anjara avy aty amintsika.
Inona moa no hitanisana izany? Mahalasa saina ny mahita ilay Malagasy manao valalan’amboa, ny tompony aza tsy tia. Faly ny mifanenjika an-toerana. Tsy vitan’ny mialangalana sy mifanjana fa mbola manatsatso izay mahavita. Ny zava-doza, mbola mitaona ny hafa tsy hanao sy handrava efa. Mifampisintona midina hatrany, malaina namana loso!
Raha fehezina, ny samy Malagasy no tsy mifanome hasina. Zara aza misy hanilihana andraikitra! Tsy masina an-taniny izany Ramalagasy.
r.r




