Hiresaka ny lafiny fandrindrana ny asa eo anivon’ny Sadc ny fivorian’ny mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ ny vondrona. Eo koa ny momba ny fitantanana ny olona eo anivon’ny Sadc, ny amin’ny lohahevitra maro samihafa. Mialoha ny filankevitry ny minisitry ny Sadc izany. Izay ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Raravavitafika, teny amin’ny CCI Ivato, omaly, taorian’ny fanombohana ny fivorian’ny mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny Sadc izay hifarana anio ary ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-45. Miompana amin’ireo tetikasa eo anivon’ny Drafitra ara-paritra (RISDP) ampiasaina eo amin’ny Sadc kosa ny filankevitry ny minisitra. Ny RISDP no drafitra mitondra sy mitantana ny asan’ny vondrona mandritra ny taona 2020-2030.
Misy roa ny fivorian’ny mpiasam-panjakana ambony, araka ny fanazavany. Eo ny avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny amin’ireo firenena mpikambana. Faharoa, ireo mpiasam-panjakana ambony avy amin’ireo minisitera hafa. Toy ireo minisitry ny Toekarena avy amin’ireo firenena mpikambana, ohatra. Sivy ireo fivoriana mifanesisesy. Manomboka amin’ny fivorian’ireo mpiasam-panjakana ambony izany, ny fivorian’ ny kaomitin’ny toekaren’ny Sadc, ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra, ny fivorian’ny mpiasam-panjakana ambonin’ny Troïkan’ny Sadc, ny fivoriana iarahan’ny Sadc amin’ i Etazonia, ny fihaonana an-tampon’ny Troïkan’ny Sadc, ary mamarana azy ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta. “Mavesatra dia mavesatra ny lahadinika amin’ ireo fivoriana ireo”, hoy izy.
R. Nd.




