SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Kianja Annexe Barea Mahamasina, ny « Sokake cup ». Fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny ekipan’ny Hienghène Sports avy any Nouvelle-Caledonie. Anio no hifarana ny fihaonana ka ho fantatra eo izay hibata ny amboara.

Notontosaina nanomboka omaly, teny Ankatso, ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny sy ny zokiny « vétérans ». Tsiahivina fa ny taranja tenisy eto Madagasikara dia efa miroborobo sy miezaka manatanteraka ny fifaninanana nasionaly samy irery. Andrasana kosa ny fifanintsanana nasionaly ho an’ireo zokiny.

Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fihaonan’i Madagasikara sy i Mauritanie, omaly, “Chan 2024”, i Toldo, Malagasy mpiandry harato Barea de Madagascar. Ny sabotsy ho avy izao moa, hiatrika ny lalao faharoa izay hifanandrinana amin’ny Burkina Faso, i Madagasikara. Tsy afaka miatrika io fifanandrinana io i Dax noho izy nahazo karatra mena tamin’ny fifanandrinana voalohany.

Partager sur: