Karate – “Challenge du Betsileo”: Noraofin’ny Tekado ny medaly teo amin’ny kata

Nifarana ny alahady 3 aogositra lasa teo, tany Fia­narantsoa, ny andiany faha-4 amin’ny “Challenge du Be­tsileo”, taranja karate. Mpika­troka maherin’ny 300, avy amin’ny klioba maro, no tonga nandray anjara nandritra izany. Ny kata sy kumite ho an’olon-tokana sy isan-tarika, nanomboka tamin’ny sokajy ankizy madinika, Cadet, Ju­niors, Seniors hatramin’ny Masters, no nifaninanana. Klioba anisan’ny nisongadina indrindra teo amin’ny kata ny Tekado ary noraofin’izy ireo ny medaly teo amin’izay sokajy izay. Anisan’izany ny azon’i Miangola teo amin’ny Pous­sine, Miantso (pupille), Olivia (benjamine), sokajy zazavavy, sy ny teo amin’ny kata zazalahy, izay norombahin’i Mael (pupille), Allan (Benjamin), Mathieu (Minime). Ho an’ny kumite, mbola nahazo medaly volamena ny atletan’ny Teka­do, tamin’ny alalan’i Miantsa (pupille -25kg), Henintsoa (Benjamine -30kg). Tsy ambakan’izay koa anefa ny klioban’ny CSKAP, izay nahazo medaly volamena teo amin’ny kata junior, vehivavy, tamin’ny alalan’i Fifie. I Michael teo amin’ny kata vétérans. Teo amin’ny kumite, nandrombaka medaly volamena ny atletany, tamin’ny alalan’i Isaia (Mini­me+40), Stéphanie (Cadette -54kg), Fifie (Junior -59kg), Epiphania (Senior+69kg). Medaly volafotsy kosa no azon’ity klioba ity teo amin’ny isan-tarika, raha ry zareo avy amin’ny Jirama no nibata ny medaly volamena. Nahafapo ny fahaiza-manaon’ny mpikatroka ary nanatrika izany mivantana tany an-toerana ny filohan’ny FKM, Ratefinanaha­ry Émile, niaraka tamin’ireo ekipany. “Manana ny hoaviny mamiratra ny taranja karate ary mampisy fanantenana ireo taninketsa”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FKM.

Mi.Raz

Partager sur: