Jamban’ny vola

Raha mandinika ny zava-misy ankehitriny dia tsy am-pihambahambana no ilazana fa fositra ny fitiavam-bola diso tafahoatra. Mibaribary loatra fa matim-bola avokoa izay milaza fa mpanontsana sy mpisintona lakolosy (hono). Tsy ho an’ny tanindrazana sy taranaka velively fa ho an’ny ao am-paosiny sy ny poketrany. Mino ve isika izao fa tena tia sy mpanohana ny fitondrana ireny namaky bantsilana ny toe-draharaha namaivay teto amin’ny firenena ireny? Tsia avy hatrany ny valiny fa fanaovana takalonaina itadiavan-tseza ireny. Hitadiavam-boninahitra. Raha minisitra iray no voantohintohina haninona moa? Fa ny tanjon’ny sasany dia ingahy Filohan’ny Repoblika sy ny governemanta mihitsy no hozongozonina. Izao angaha misy miresaka minisitra izatsy na izaroa fa ny Filoham-pirenena no lo… tena maloto tanteraka. Raha vao ny vola no mahajamba dia tsy mahataitra ny toe-javamisy. Mivaralila avokoa ny rehetra. Porofo mivaingana izao ny fifanipahan’ny valala an-karona rehetra. Ny sasany manadio ny fitondrana amin’ny fo, ny hafa misarintsarim-panohanana fa mandefona ivoho. Jereo fotsiny ny resaka ” Boeing 777″ dimy nalefa any Iran. Milomay samy manavotra ny tenany ny tsirairay. Maha­vita ny tsy takatry ny saina hialana ilany. Maro loatra ny afera goavambe maloto ataon’ny olona nomem-pahefana. Sorona anaty fahantrana vokatr’izany ny eny amin’ny andavanandrom-piainana. Mila fahasahiana sy fandraisana andraikitra ny olombelona rehetra. Tsy afa-miala sy mialokaloka intsony amin’ny fanavotana firenena ny isam-batan’olona. Mila olona manam-panahy i Madaga­sikara. Tsy ampy intsony ny fahaizana mandaha-teny, mitaky asa izany.

r.r

Partager sur: