Andro sisa no isaina! Miandry ny fandraisan’i Madagasikara ny fitantanana voalohany ny vondrona Sadc ny Malagasy. Handray izany amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Maharitra herintaona ny fotoam-pitantanany. Midika izany fa ho renivohitry ny firenena 16 aty atsimon’ny Afrika isika. Ho ambohi-pihaonana ara-bakiteny satria hateti-piavy ny fivoriana horaisina aorian’ny fihaonambe.
Masa-bary mainto kitoza ny fahatongavan’izay hetsika ho tonga eo. Porofon’ny tanjaky ny diplaomasia izany, andaniny. Hitondra soa betsaka ara-toekarena, ankilany. Ny fivezivezen’ny avy any ivelany eto Madagasikara dia hanokatra herijika maro ato anatiny. Iarahan’ny mpikambana rehetra manaiky rahateo fa iompana amin’ny fampandrosoana lavitr’ezaka sy maharitra ny Sadc manomboka izao. Hamaky lay ity politika vaovao sy nohatsaraina ity i Madagasikara noho izy lehiben’ny mpanatanteraka anatin’ny vondrona.
Tsy isika Malagasy, araka izany, no hanao ranon’Ikopa ka ho mavomavo rehefa tonga namana. Fotoana hialana sy hitakina firaisan-tsaina sy firaisam-po izao. Hanamafisana ny fanandratana ny hambompom-pirenena. Zara aza misy ny toy izao ahafahana mametraka ny paikadim-pampandrosoana tena matotra sy araka ny fenitra iraisam-pirenena. Voatery tsy maintsy mandroso isika Malagasy, mba tsy ho toy ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
Firenena mendrika raha i Madagasikara. Mamiratra amin’ny fahaiza-manao na aiza na aiza lalovany. Mainka fa filohan’ny Sadc izany, sanatrian’ny vava ka ny hanateran-kira no hilaza tsy hahay mandihy! Tokana ny fanamby: tsy mandraraka ilo mby an-doha fa Madagasikara… tsy maintsy mandroso!
r.r




