Ao anatin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc izao. Fikambanam-paritra manana ny maha izy azy sy ny tantarany eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana isam-paritra izy. Izay tsara ho fantatra…
Fikambanam-paritra mampivondrona firenena 16 aty atsimon’i Afrika ny Southern African Development Community (Sadc) na ny Fihaonamben’ny fandrindrana ny fampandrosoana Atsimon’i Afrika. Eo i Afrique Atsimo, Angola, Botswana, Lesotho, Madagasikara, Malawi, Maurice, Mozambika, Namibia, RD Congo, Seychelles, Swaziland, Tanzania, Zambia, Zimbabwe ary i Comores. Dimy amin’izy ireo no firenena mampiasa ny teny frantsay. Tanjony ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-tsosialy sy ara-toekarena, ara-politika ary ara-piarovana eo amin’ireo firenena mpikambana ao aminy. Eo koa ny fampivoarana ny firaisankina isam-paritra mba hisian’ny fandriampahalemana, fitoniana ary firoboroboana maharitra.
45 taona niorenan’ny vondrona
Tamin’ny taona 1980 no nijoroan’ny vondrona, natsangan’ny firenena sivy eo amin’ny laharana voalohany: i Angola, Botswana, Lesotho, Malawi, Mozambika, Swaziland, Tanzania sy Zambia ary Zimbabwe. Tamin’ny taona 1992, taorian’ny fahaleovantenan’i Namibia, nosoniavin’ny firenena sivy sy i Namibia ny fifanarahana nanangana ny tany Windhoek. Nifarana ny fitondrana fanavakavaham-bolon-koditra (Apartheid) tamin’ny taona 1994, niditra ho mpikambana i Afrika Atsimo. Taorian’izay, nisesy niditra ireto firenena ireto, taona 1995-2005: Maorisy (1995), Repoblika Demokratikan’i Congo (1998), Seychelles (1998), Madagasikara (2005). Tafakatra 14 no isan’ny mpikambana tamin’izany.

Nisy ny fanavaozana anatiny
Nanomboka ny fanavaozana ny andrimpanjakana Sadc, tamin’ny marsa 2001. Nikendry ny hanamafisana ny firaisankinan’ny fikambanana izany. Teo ny fandravana ny sampana fandrindrana ny sehatra sy ny fanohizana ny asany amin’ny alalan’ny sekretera izay nohamafisina. Toy izany koa ny fametrahana fitaovana fandrindrana politika fampandrosoana ny faritra. Niara-dalana tamin’izany ny fametrahana ny toerana tale jeneraly ao anatin’ny sekreteria, ny kaaomitin’ny minisitra, ny komity nasionalin’ny fampandrosoana ny firenena mpikambana eo anivon’ny vondrona.
Natsangana koa ny drafitra stratejika roa maharitra, izay 15 taona tamin’ny taona 2003. Ny iray ho an’ny fampandrosoana ny faritra: Drafi-pampandrosoana stratejika amin’ny faritra. Ny faharoa, ho an’ny olana politika sy fiarovana ary filaminana. Omena amin’ny arofenitra 24 ny fampiharana ireo torolalana ireo. Anisan’izany, ohatra, ny varotra, ny fitantanam-bola ary ny fampiasam-bola, ny fitantanana ny renirano miampita sisintany sy ny firenena…
Tsy nitsahatra ny fampivelarana sy fanatevenana ny asa
Nisy ny fihaonamben’ny Sadc/Cooperation Partners Consultative (Windhoek), avrily 2006. Tamin’izany no nanaovana fanambarana momba ny foto-kevitra amin’ny fanampiana eo anivon’ny Sadc sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ary ny famaritana ireo sehatra dimy laharam-pahamehana. Eo koa nyfananganana vondrona lohahevitra hiaraha-miasa amin’ ireo mpamatsy vola.
Natsangana ny paikadin’ny indostrian’ny Sadc sy ny sori-dalana, 2015-2063, tao Harare, tamin’ny avrily 2015. Mikendry ny hanovana ara-drafitra ny toekaren’ny faritra izany, hampiroborobo koa ny fitomboana ara-toekarena sy ny varotra eo anivon’ny fiarahamonina.
Niditra ho mpikambana faha-16 i Kaomoro tamin’ny fihaonana an-tampony faha-37 nataon’ireo filoham-panjakana sy ny governemantan’ny Sadc tany Pretoria, ny 19 sy 20 aogositra 2017. Nandraisan’ny mpandray anjara ny vina 2050 ho fampiraisana bebe kokoa ny faritra kosa ny fihaonana an-tampony faha-40 nataon’ny filoham-panjakana sy ny governemanta nokarakarain’i Mozambika, tamin’ny aogositra 2020.
Manana ny fomba fiasany ny Sadc
Nanangana andrimpanjakana filamatra amin’ny maodely eoropeanina ny Sadc. Eo ny rafitra vovonana misy ny filoham-panjakana. Mivory isan-taona amin’ny volana aogositra hamaritana ny politikan’ny vondrona ny vovonana ambony indrindra amin’izany. Misy ny Troïka, ahitana ny filoha mivoaka sy ny filoha am-perinasa ary ny filoha ho avy. Napetraka eo ambany fahefan’ny Troïka mifandimby amin’ny filoham-panjakana kosa ny rafitra ho an’ny politika amin’ny fiarovana sy filaminana. Nanomboka tamin’ny 17 aogositra 2020, i Botswana no nitarika ny rafitra nandritra ny herintaona.
Ahitana ny minisitra avy amin’ny firenena mpikambana tsirairay miandraikitra ny fanaraha-maso ny Sadc ny rafitra. Amin’ny ankapobeny, ny minisitry ny Fitantanam-bola na ny Raharaham-bahiny. Ny filankevitry ny minisitra no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fizotra sy ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Sadc, miantoka ny fampiharana ny politikan’ny vondrona ary manomana ny fihaonana an-tampony. Amin’ny ankapobeny, mivory indroa isan-taona ny filankevitry ny minisitra, amin’ny fiandohan’ny taona : mandinika momba ny tetibolan’ny vondrona. Amin’ny volana aogositra, alohan’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc isan-taona izany.
Ny andraikitry ny filohan’ny Sadc
Amin’izao fihaonana an-tampony faha-45 atao eto Madagasikara izao, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no filohan’ny Sadc. Hanomboka amin’ny famindram-pitantanana hatao any amin’ny CCI, Ivato, amin’ny 17 aogositra izany. Izy no mitarika sy mandrindra ny asan’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta mpikambana, mamaritra ny laharam-pahamehan’ny vondrona, misolo tena azy sy ireo mpikambana eo amin’ny sehatra kaontinantaly sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo koa ny fandrindrana ny asan’ny Troïka, ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra sy fandaharanasan’ny vondrona.
R. Nd.




