Nanolotra ny taratasy manendry azy honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny masoivoho vaovaon’ny Nosy Maorisy, Bruno Cunniah. Voatsiahy tamin’ny fihaonana fa efa an-taonany maro ny fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy maorisianina amin’ny maha nosy mpirahavavy azy aty anivon’ny ranomasimbe Indianina. Eo koa ny maha samy mpikambana eo anivon’ny COI ny andaniny sy ny ankilany. Noresahina mandritra izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fizahantany.
Nialoha izany, efa noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika tetsy amin’ny birao fiasany Anosy, ity ambasadaoro vaovao ity, afakomaly. Nivoitra teo amin’ny diniky ny roa tonta ny fifamatorana ara-tantara naharitra eo amin-dry zareo Maorisianina sy ny Malagasy. Eo koa anefa ny fifandraisana eo amin’ny lafiny toekarena sy ny ara-kolontsaina koa.
Tsiahivina fa anisan’ireo firenena 16 mivondrona eo anivon’ny Sadc koa ry zareo Maorisianina, ankoatra ny maha mpikambana azy rahateo ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI).
Synèse R.




