“Chan 2024” : Tsara toerana handimby an’i Dax i Mamisoa

Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Benja­min Mkapa Stadium, Dar Es Salaam, ny fifandonan’i Tanzanie, mpampiantrano sy i Madagasikara. Lalao izay tafiditra amin’ ny andro fahatelon’ny fifanintsanana “Chan 2024”, tontosaina any Tanzanie, Kenya, Ouganda, ho an’ny vondrona “B”. Mbola baraingo ny mpilalao handimby ny toeran’i Dax, kapitenin’ny ekipa Barea A’, izay tsy hiatrika io lalao io, noho ny karatra mena azony tamin’ny lalao nifanandrinan’ny Malagasy tamin’i Mauritanie.
Raha ny fijerin’ny maro sy ny mpankafy baolina kitra, tsara toerana handimby azy i Mamisoa, mpilalaon’ny Elgeco Plus. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nifandona tany amin’ny “Cosafa Cup” natao tany Afrika Atsimo, ny volana jona lasa teo, ny Barea sy ny Tanzanianina. Resin’ny Barea, 1 no ho 0, i Tanzania, tamin’izany, ary voatendry ho mpilalao mendrika tamin’io fihaonana io i Mamisoa.
Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy avy amin’ny mpanazatra mahakasika io resaka hanolo ny toeran’i Dax io saingy ho fantatra ny sabotsy ho avy io izany. Etsy ankilany, mitohy hatrany ny fanazarantena ataon’ny ekipam-pirenena mala­gasy, ary ao anatin’ny fanamafisana ny taktika sy ny famonoam-baolina izy ireo, amin’izao.

Tompondaka

Partager sur: