Anisan’ireo mpilalao 20 nantsoin’ny mpanazatra ny Paris FC, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonana amin’ny ekipa voafantin’ny UNFP, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Ity fifanandrinana ity, izay natao omaly, ary efa mamiratra tanteraka izy amin’izao fotoana izao.
Hiatrika ny lalao hiadiana ny laharana amin’ ny taranja tenisy, sokajy vehivavy, Billie Jean King Cup, vondrona fahatelo i Madagasikara. Ny ekipan’i Zimbabwe, hifandona amin’izy ireo, anio. Tsiahivina fa lavon’i Maroc, tamin’ny isa 3 no ho 0, ekipa nasionaly malagasy, omaly, ka voatery hiatrika ity ady laharana ity.
Hofantatra anio ireo mpilalao 30 isa hosafidiana amin’ny resaka baolina volamena. Hatramin’ izao, mbola mitana ny toerana voalohany i Dembele, frantsay mpilalao baolina kitra. Ny volana septambra ho avy izao, ambara amin’ny fomba ofisialy izay voafidy handrombaka ity baolina volamena 2025 ity. Tsara ny mampahafantatra fa ny magazinina France Foot-ball ny mikarakara ity lanonana baolina kitra iray ity.




