Mila firaisankina

Raha tsy misy ny sampona, efa milona tanteraka ao anatin’ny fihaonamben’ny Sadc ny Malagasy. Raha ny tatitra farany dia tsy ho latsaky ny folo ireo filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana ho avy eto Madaga­sikara. Izay tsy ho avy efa nanamafy ny fandefasana solontena. Tsy hisy ho latsaka ny firenena 16 mpikambana fa hanao rodombe aty an-drenivohitry ny Sadc dia Antananarivo izany.
Manoloana izany, tsy ny Malagasy hanateran-kira no hilaza fa tsy mahay mandihy. Misy ny antso avo isan-karazany ataon’ny manampahefana isan-tsokajiny. Antso ho an’ny firaisankina sy fifanohanana amin’ny samy Malagasy. Tsy ho an’ny mpitondra fotsiny izany fa ho an’ny tanindrazana. Ho an’ny Malagasy iray manontolo ny vokatsoa amin’ny fandraisana fivoriambe tahaka itony.
Marihina fa tsy mijanona amin’ny lafiny politika sy diplaomatika izany. Hahazo tombony mivantana ny fizahantany sy ny asa tanana. Ny fandraharahana sy ny indostria ireny efa niaraha-nahita, nahazo herindrano be izao nifanakalozana. Ny lafiny sosialy manginy fotsiny. Hisitraka raha maro ny Malagasy mandritra ny maha filohan’ny Sadc ny filoham-pirenena malagasy.
Tsy ho vitan’ny filoha irery anefa ny hizaka ny adidy mavesatra tahaka izao. Mila mijoro ao an-damosiny ny Malagasy 30 tapitrisa. Maro ny tombony ho azo raha mahay mitrandraka izany rahateo isika. Manana fitoniana sy fahamarinan-toerana rahateo ny fitondrana malagasy ka afaka miasa am-pilaminana.

r.r

Partager sur: