Échecs: Manohy ny fanentanana hankafy ny CHW

Taorian’ny fisokafany ofisialy, ny 19 jolay lasa teo, mikarakara hetsika faharoa sahady ny fikambanana Chess Her Way, ivondronan’ny mpanao échecs, sokajy vehivavy. Ny sabotsy izao no hanatanterahana io hetsika io, hanomezana sehatra ho an’ny mpankafy ity taranja ity sy hampianarana ireo izay liana. Misokatra amin’ny rehetra ny fikambanana, ho an’ny tanora, zazavavy ary ny vehivavy rehetra. Tanjona ny hivelaran’ny vehivavy amin’ny sehatra misy azy ary amin’ny alalan’ny fitiavana ny taranja “échecs” izay iainana ao amin’ny fikambanana no hanomezana torolalana ny vehivavy amin’izay fivelarana sy fivoarana izay. Raha ny fandaharam-potoana amin’io andro io, ho feno tanteraka, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny “Chess Her Way”, Razafindrabe Bakoly. Ankoatra ny fanentanana, hisy ny “Tournoi amical” karakaraina hanasana ny mpilalao sy mpankafy ny taranja “échecs” na anaty klioba na tsia.

Mi.Raz

Partager sur: