Nambaran’ny klioba Paris FC, diviziona voalohany any France, omaly, fa nanao sonia amin’ny maha matihanina azy ao amin’ity ekipa frantsay ity i Ylan El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, hatramin’ny taona 2028 no hifarana ny fifanarahan’ny roa tonta.
Notsiahivin’ny klioba Paris FC, fa herintaona teo izay no nahatongavan’i El Hadary tao amin’ny ivotoeram-piofanana ary izao efa tafiditra anatin’ireo mpilalao matihanina izao izy. Azo lazaina, araka izany, fa afa-po tanteraka tamin’ireo lalao roa nasehon’ity malagasy ity, ny mpanazatra sy ny Staff maro tao amin’ity klioba parizianina ity.
Tsara ny mampatsiahy fa mpilalao novolavolaina tao amin’ny Ajesaia, ity mpilalao baolina kitra malagasy ity, fony izy teto an-tanindrazana. Taorian’i Nomenjanahary Lalaina, na i Bolida, izany, i El Hadary, indray, mpilalaon’ny Ajesaia teo aloha no mifanintsana amin’ny Ligue 1, frantsay. Hifanehitra amin’ireo mpilalao sangany, any France, izany i El Hadary, manomboka izao. Anisan’izany ireo mpilalaon’ny PSG, toan-dry : Ousmane Dembélé, Barcola, Desiré Doué, sy ny an’ny Monaco AS : misy an’i Pogba, i Ansu Fati, ary ny ao amin’ny Olympique de Marseille, izay ahitana an’i Rabiot, Aubameyang.
Tompondaka




