SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 aogositra ho avy izao, ny «Tournoi», ho an’ny rugby lalaovin’olona 7, lahy sy vavy. Fifaninanana karakarain’ny Malagasy Rugby. Tanjona amin’ity fihaonana ity ny fampivelarana sy fampandrosoana ity taranja ity, izay hita fa voafehin’ny Malagasy.

Mitohy hatrany ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Madagasikara, taranja handball sokajy zandriny. Fihaonana atao any amin’ny Kianja Cap J Tsiroano­mandidy. Misongadina ny ekipan’ny HC Est Atsimo Andrefana ho an’ny Junior, lehilahy. Tsy mbola resy mantsy izy ireo, tamin’ireo lalao rehetra natrehiny.

Ao amin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara mandritra ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, izay hotanterahina any Angola, ny 12 hatramin’ny 24 aogositra izao. Ny ekipan’ny Tonizia, Cameroun ary Nizeria no miray vondrona amin’ny ekipa malagasy Ankoay, amin’izany.

Partager sur: