Mandalo sedra mafimafy ny tontolo politika anatiny eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny savorovoron’ny fiaramanidina sy ny kolikoly ao ambadik’izany. Marina tokoa ny voalaza fa tsy nisy nidiran’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ireny. Kanefa tsy tongatonga ho azy na ny vanim-potoana nampipoaka ny raharaha na ny votoatin-tserasera naely. Mainka moa ny olona nanaparitaka azy.
Tsy hidirana lalina ny amin’iny fa taridresaka entina hampisaina ny vahoaka malagasy ireny. Hampisokatra ny masom-panahy amin’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana sy ny ho an’ny tanindrazana. Efa misy ny tomponandraikitra voalaza fa manao famotorana ny raharaha, koa anjarany izay. Ny isam-batan’olona no tsy maintsy miara-mirona mitady hirika hoenti-mampandroso ny ankohonany aloha dia miitatra any amin’ny firenena.
Tokana ny teny filamatra: tsy maintsy mandresy hatrany amin’ny sedra isan-karazany. Madagasikara rahateo, ho fitaratra afaka andro vitsy. Aty amintsika tokoa ny mason’izao tontolo izao, raha vantany vao vita ny fandraisam-pahefana amin’ny fomba ofisialy ny maha filohan’ny Sadc ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Herijika goavam-be hoenti-mamakivaky ny sedra sy sakana izany satria mitaky ezaka tsy ho lohany avy amin’ny farany fa ho sangany hatrany am-boalohany.
Tsy adidin’ny Filohan’ny Repoblika samirery izany fa andraikitry ny Malagasy tsivakivolo. Mitaky fampitovizana tadin-dokanga mba hifanaraka amin’izay tanjona iraisina sy iombonana. Tanjona ilay samy mandresy amin’ny ady itambaram-be.
r.r




