Tenisy : Nandresy an’i Nigeria ny Malagasy

Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Central Tennis Club tao Windhoek Namibia, ny fifaninanana hiadiana ny Billie Jean King Cup, sokajy fahatelo ho an’ny faritra Afrika. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Akomba de Madagascar, nanoloana an’i Nigeria nandritra ny fiadian-toerana fahefatra ka hatramin’ny fahenina. Raha hiverenana ny fihaonana teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, lavon’i Tsantaniaina tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/4) i Khadijat eleojo Mohammed. Mbola nahazo fandresena toy izany koa Rasendra Miotisoa, nanoloana an’i Success Ogunjobi. Nisaraka tamin’ny seta 2 no ho 1 izy mirahavavy. Niady ny fihaonana teo amin’izy mirahavavy satria lasan’i Miotisoa ny seta voalohany 7/6. Nosahalain’i Ogunjobi izany avy eo 4/6. Lasan’i Miotisoa kosa ny seta fahatelo, 6/2. Teo amin’ny lalao ho an’olon-droa kosa, resy tamin’ny seta 2 no ho 0 i Elisoa sy i Ikoriantsoa raha nifanandrina tamin’i Barakat Oyinlomo sy i Adesuwa Osabuohien.

Tompondaka

Partager sur: