Hanomboka ny 12 hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao, atsy Angola, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja basikety « Afrobasket 2025 ». Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Ankoay Madagasikara, ary hifanandrina amin’izy ireo voalohany i Nigeria, ny 13 aogositra.
Taranja iray misy sy mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny taranja bisikileta. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nahenoana siosion-dresaka ny mahakasika ny fikarakarana fifaninanana nasionaly. Tsara ny mampahatsiahy fa manana atleta maro amin’izany ny Malagasy, saingy tsy ampy fifaninanana, tsy nahafahan’izy ireo nahita fahombiazana nandritra ny Lalaon’ny Nosy farany teo.
Nisongadina indray i Cristiano Ronaldo na CR7, portiogey milalao ao amin’ny klioban’ny Al Nassr, atsy Arabia Saodita, afakomaly. Nahatafiditra baolina telo be izao izy nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nihaonan’izy ireo tamin’ny Rio Ave. Nandresy 4 no ho 0, moa ny ekipan’i Ronaldo. Tsara ny mampahafantatra fa efa 40 taona izao i CR7.




