Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity.
“Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny avy any Mozambika…”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Andranomena, tamin’ny fanolorana kamiao fitateran-drano miisa 18, tamin’ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc hatao eto Madagasikara. 80 ny delegasionina avy any Mozambika, 60 ny avy atsy Afrika Atsimo, misy aza ny delegasionina 130… Ny dikan’izany, liana hankaty Madagasikara sy handray anjara amin’izany fihaonana an-tampon’ny Sadc hatao eto Madagasikara izany ry zareo.
Mampalahelo fa tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra, misy filoha teo aloha nandeha nitety an’ireo filoham-panjakana ireo. Nilaza ry zareo hoe tsy tokony hatao ao Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, ary tsy mendrika ho filohan’ny vondrona ny filoha Rajoelina Andry. Niantso ny filoha Rajoelina Andry ireo filoham-panjakana mpikamban’ny Sadc: inona ny mitranga ao Madagasikara, maninona no misy filoha teo aloha nilaza hoe tsy tokony hatao aty Madagasikara ny fihaonana an-tampony? Niteny izy ireo hoe: Tsia. Ny filohan’ny Repoblika malagasy no efa nofidin’ireo filoha ao amin’ny Sadc. Raha misy olana any Madagasikara, mifanatona sy mifampiresaha fa tsy entina any amin-dry zareo ny olana.
“Handray ny Sadc isika amin’ny herinandro ho avy io”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Goavana be izany, fa sambany amin’ny tantaram-pirenena. Hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena hatramin’izao no hoe mba misy filohan’ny Repoblika malagasy ho filohan’ny vondrona iraisam-pirenena aty Afrika.
@R. Nd.




