Tsy bodo na bado…

 

Mbola misy ny hoe manao ady sisika tsy hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Madagasikara? Eny, na hita izao aza fa efa ao anatin’izany tanteraka izao. Roso ka tsy mimpody koa… Tsy mendrika ny handray an’izany fihaonana an-tampony izany, hono, i Madagasikara, raha ny zava-misy sy iainana. Tsy izay zava-misy izay aza ve no nifidianana an’i Madagasikara handray ny fihaoanana an-tampony? Fahatokisana ny mpitondra, ny fahombiazan’ny haitarika, ny fahamarinan-toerana politika… Tsy mahalala ny zava-misy eto an-toerana sy diso fijery àry ve ireo tompondnraiki-panjakana ambony eo anivon’ny Sadc tonga eto Madagasikara handray anjara amin’izany?
Tsy mahagaga, izay ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy miady na saro-piaro amin’izay mety ho tombontsoa ambonin’ny firenena, fa ny manakana izay mety ho tombondahiny ho an’ny mpitondra. Na eo amin’ny sehatry ny firenena izany, na iraisam-pirenena. Eny, na tsy takona afenina izao aza fa hanaratsy sy hanimba ny endrik’i Madagasikara ny karazana fanaratsiana sy fanakiviana hoe tsy mendrika izao na izatsy. Politika fanimbana, famotehana, fampisaraham-bazana… Izany no mahasoa ny firenena? Fa tsy fanarenana izay hita fa tsy mety. Na tsy misy afa-tsy fialan’ny mpitondra ihany no vahaolana, raha hevitra sy ny fijerin’ny mpanohitra.
Tsy mahalala sy mahay ary mahavita izay hahasoa ny firenena afa-tsy ny tena. Diso safidy tamin’ny fifidianana ve izany ny vahoaka na ny hoe maro anisa ahay? Mbola fomba fanaovana politika na fijery politika koa izay: tsy mihevitra na manome hasina ny hafa. Soa ihany, tsy bodo na bado ny vahoaka; eny, na manana izay mety ho fahalemeny sy fahasahiranany aza. Tsy efa lasa ve ny zavatra taloha? Na tsy lasa ny zavatra taloha tamin’ny krizy miverimberina…

R. Nd.

Partager sur: