Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy ny fifanarahana ary ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny roa tonta izany. Hisy koa ny hetsika fampahafantarana ny Sadc: fihaonana amin’ny besinimaro eny amin’ny oniversite, Ankatso, amin’ny 14 aogositra ho avy izao. Aorian’izay, eo ny fivorian’ny Troïkan’ny rafitra Sadc, harahin’ny fihaonana an-tampon’ny Troïka. Amin’ny 17 aogositra no ivon’ny fihaonana: fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta. Aorian’izay, ny fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara, hatrehin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemantan’ny Sadc.
Ankoatra ireo vahiny efa tonga sy miatrana eto Madagasikara amin’izao, manomboka ho avy ireo minisitra avy ao amin’ny vondrona eo anivon’ny filankevitry ny minisitry ny Sadc. Ho avy koa ny ankamaroan’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta. Maro amin’izy ireo no efa nanamafy izay fahatongavany izay. Ho fahombiazana lehibe ho an’i Madagasikara izao fotoana manan-tantara izao. Nanomboka tamin’ny 28 jolay tamin’ny herinandro fampiroboroboana ny indostria izany. Narahin’ny fihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny kaomity maharitry ny mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny Sadc izany.
R. Nd.




