Mitohy ny hetsika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra, tanterahan’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ny alalan’ny vehivavy VMMM. Mivarotra fitaovam-pianarana amin ‘ny vidiny mirary izy ireo amin’izany ka hisitraka izany ny herinandro ity ny eny Ambohitrimanjaka, Ambohimangakely, Alasora, Vilihazo ary Ambohitseheno…
Mamita iraka any Bénin ny delegasionin’ny Ceni, tarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene. Tafiditra anatin’ny fifampizarana traikefa momba ny fomba handrafetana ny rejisi-pifidianana biometrika araka ny vinanasa, nofaritana izao dian’izy ireo any an-toerana izao. Tsiahivina fa efa miroso ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana i Madagasikara.
Nahitsy ny avy amin’ny antoko politika madio (APM) nilaza fa tsy manana politika iadiana amin’ny fahantrana izao fitondrana izao. “Diso lalàna sy tsy mahafehy ny laharaham-pahamehana ho an’ny vahoaka, ka manakona ny tsy fahaiza-mitantany amin’ny serasera sy ny fisehosehoana”, hoy izy ireo.
Natao hisehosehoana amin’ireo vahiny tonga eto ny tena antom-pisian’ny teleferika eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny mopera, Ratovomanarivo Prosper. Alefa indray izany amin’izao Sadc eto izao tahaka ny efa natao tamin’ny COI. “Hanehoana fa mandroso ilay Madagasikara. Tetikasa 152 tap Euro hohefain’ny taranaka fara mandimby”, hoy izy.




