CJSOI Seychelles : Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy

Nikatona tanteraka ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-13, ny faran’ny herinandro teo, notanterahina tany Sey­chelles. Tsy nitsanga-menatra ny so­lontena malagasy nandritra izany.

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana raha ny vokatra azo. Medaly 49 (15 volamena, 19 volafotsy ary 15 alimo) no norombahin’ny Malagasy ary eo amin’ny laharana fahatelo no misy an’i Madagasikara. Taranja nampisehoan’ireo Malagasy mpilalao ny fahaizany tanteraka ny taranja fibatana fonjamby nandritra ity CJSOI natao tany Seychelles ity. Nahazoan’ny Malagasy medaly betsaka indrindra ary antoka iray nahatafapetraka an’i Mada­gasikara teo amin’ny laharana fahatelo ny taranja fibatana fonjamby. Medaly 18 be izao no azon’ireo Malagasy mpibata fonjamby, ka volamena ny 9 tamin’ireo, volafotsy ny 6 ary alimo ny 3. Tsy nisy niveri-maina ireo solontena malagasy teo amin’ity taranja ity fa nitondra medaly nody avokoa.

Nisongadina ny taranja lomano sy ny Judo

Anisan’ny taranja nampisongadina an’i Madagasikara ihany koa ny taranja lomano. Medaly 15 no azon’ny Mala­gasy mpilomano ka volamena ny 3, volafotsy ny 4 ary alimo ny 8. Tsiahivina fa 8 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny taranja lomano tamin’ity fifaninanana ity ka nahazo izao vokatra tsara izao. Teo amin’ny taranja Judo kosa, medaly 8 no azon’ny judokas malagasy ka volamena ny 1, volafotsy ny 5 ary alimo ny 3. Mala­gasy mpikatroka 8 mianadahy no niatrika ny CJSOI tany Seychelles ka nahazo ireo medaly 8 ireo, izay azo lazaina fa nahafa-po. Taranja nandrasana hahazoana me­daly maro ihany koa ny taranja athletisma saingy tsy dia nahita vokatra tsara tamin’ity indray mitoraka ity. Atleta 8 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny atletisma saingy medaly volafotsy 1 sy alimo 1 monja no teo am-pelantanan’ny Mala­gasy. Ratsy toa izany koa ny vokatra ho an’ny badminton izay tsy nahazoana medaly na iray aza tamin’ireo atleta 5 mianadahy nihazo an’i Sey­chelles.

Namiratra ny Ankoay lehilahy

Taranja iraisana tokana nandrombaka medaly volamena ho an’ny Malagasy, ny taranja basikety. Namiratra tanteraka ny Ankoay lehilahy nanoloana ireo nosy rahavavy. Tsy nisy nampanano sarotra ny ekipa malagasy ireo ekipa rehetra nandalo teo anatrehany ka tsy namelan’izy ireo raha tsy nobatainy ny amboara. Isa mavesatra 92 no ho 56 no nandavoan’ny Ankoay ny ekipa Renioney teo amin’ny famaranana. Teo amin’izay taranja iraisana izay hatrany, samy resy teo amin’ny famaranana avokoa ny ekipa malagasy teo amin’ny taranja baolina kitra sy volley ka nahazo ny medaly volafotsy.

Nahazo medaly 3 ny “volet jeunesse”

Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ity CJSOI andiany faha-13 ity koa ny tanora malagasy ary tsy mitsanga-menatra izy ireo nandritra ny lalao rehetra fa nahazo medaly volamena 1, volafotsy 1 ary alimo 1, ka anisan’ny nahazoana io vokatra tsara io ny teo amin’ny fifaninanana E-sport. Marihana fa manodidina ny 100 teo ny delegasionina malagasy nihazo an’i Seychelles tamin’ity CJSOI ity ka 58 ny atleta niaro ny voninahi-pirenena.

Nanatontosa : Mi. Raz

Partager sur: