CHAN 2025 – Barea (1) – Tanzanie (2): Manify ny fanantenana ho an’ny Barea de Madagascar

Tsy mbola nahazo fandresena ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Lavon’i Tanzanie mantsy izy ireo, nandritra ny andro faharoa ho an’ny fifanintsanana vondrona «B».

Kely ny herijikan’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Lavon’i Tanzanie tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Barea ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Benjamin Mkapa Sta­dium. Fihaonana tafiditra amin’ny andro faharoa ho an’ny vondrona «B». Tsy nihafihafy mihitsy i Tanzanie, nilalao teo amin’ny kianjany. Vokatr’izay, vao 13 mn monja dia efa nahafatafiditra baolina i Mzize. Na teo aza io tombony io, tsy nihanona tamin’izany izy ireo fa nanafika hatrany. Tetsy ankilany, nisy ihany ny rindran-damina nataon’ny Barea, nifarimbonan-dry Lalaina sy i Toky ary i Gregas saingy tratry ny fikoropahana ka ratsy ny famaranana. Nanampy ny isa faharoa ho azy ireo ny ekipan’i Tanzanie, tamin’ny alalan’i Mzize ihany teo amin’ny minitra faha-20. Nitarika 2 no ho 0 izy ireo, ary efa nanana fahatokisan-tena. Sahy nanolo ireo mpilalao hitany fa sahirana sy vizana ny mpanazatran’izy ireo.
Niezaka nandamina ny Barea, taorian’io. Namezivezy baolina teo afovoan’ny kianja. Minitra faha-34, nisy fanafihana nentin’i Rado, nanolotra an’i Luc izay nanome an’i Gregas ary nampiditra ny baolina tokana ho an’ny Barea. Nentin’ny roa tonta niala sasatra, io isa 2 no ho 1 io.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka nanafika hatrany ny andaniny sy ny ankilany fa tsy nisy intsony ny baolina maty. Efa tany amin’ny 15 mn farany vao nanolo mpilalao ny mpanazatra malagasy ka nampiditra an’i Onja sy i Fely saingy tsy nisy vokany izany. Tsy manana afa-tsy isa 1 ny Barea. Tsy maintsy mandresy an’i Centrafrique sy i Burkina Faso raha te hanohy ny lalana.

Tompondaka

Partager sur: