Tsy mbola lohalaharana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny kilonga malagasy eo amin’ny fifaninanana natokana ho azy ireo, na ny lalaon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI). Fihaonana notanterahina tatsy amin’ny Nosy Seychelles. Raha ny haben’ny firenena sy ny hamaroan’ny mponina ao aminy, lehibe sy goavana i Madagasikara. Ny mifanohitra amin’izany anefa ny vokatra teo amin’ity lalao ity. Tsy misy fahagagana tokoa ny fanatanjahantena, fa izay nafafy ihany no jinjaina. Ny katsaka tokoa no mibaby telo, ny tany naniriany no lonaka aok’izany ary ny omby no soa dongadonga, ny vilona noraofiny no maintso mavàna.
Tsy vao izao no nahalala fa mila rafitra mipetraka ara-dalàna ary tokony hisy fifaninanana araka ny tokony ho izy ho an’ny tanora fa ireny no taniketsa sy dimbin’ny ho avy. Toa zary lasa vonjy tavanandro fotsiny mantsy ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny ankizy eto Madagasikara, raha mitaha amin’ireo firenena mpifaninana. Tsy mahagaga ny vokatra azo, satria ny azy tsara fototra, misy rafitra sy programa arahina. Tsy maika amin’ny vokatra eo no ho eo fa manana faharetana ka raha mioty ny tsara izy ireo ankehitriny dia toy ny katsaka mibaby telo, ny tany naniriany no lonaka.
Fakana lesona ny fifaninanana tahaka ireny. Samy mandray izay tandrifiny avokoa ny tsirairay manomboka any amin’ny minisitera, mandalo amin’ny federasionina, ny ligy ary ny mpanazatra sy ireo raiamandreny rehetra. Fa matoa ny hazo no mijoalajoala, ny fotony no tsara faka. Ny omby no soa dongadonga, ny vilona noraofiny no maintso mavàna. Tsy misy mahavita tena satria ny tanana havanana, tsy mahatana kifafa. Ny tanana havia tsy maharay sahafa. Ny iray amin’ireo tsy mahavadika bainga raha tsy izy roa no miara-manainga.
Tompondaka




