Baolina kitra afrikanina: Fanalamanga vs Ferroviaro, Elgeco Plus vs Silver Striker

Tontosa ny sabotsy lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, ny antsapaka nahalalana ireo hifandona amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ireo klioba tompondaka sy tompon’ny amboara. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny solontena roa ho an’i Madagasikara dia ny Elgeco Plus sy ny AS Fana­lamanga.
Raha ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « li­gue des champions», hifanandrina amin’ny Elgeco Plus ny Silver Strikers-n’i Malawi. Ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (Coupe de la Caf). Hifampitana amin’ny AS Fanalamanga ny Ferroviaro de Maputo avy atsy Mozambique.
Samy hiatrika ny lalao savaranonando avokoa ireo ekipa solontenan’i Madagasi­kara ireo. Hotanterahina eo anelanelan’ny 19 ka hatramin’ny 21 septambra ho avy izao ny lalao mandroso ary ny 26 ka hatramin’ny 28 septambra kosa ny fihaonana miverina. Hampiantrano ny lalao voalohany ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka ny Elgeco Plus raha handeha hanafika any Mozambique kosa eo amin’ny fihaonana mandroso ny AS Fanalamanga. Ekipa tsy vaovao amin’ny Malagasy satria efa nidona tamin’ny FC BFV, tamin’ny fotoanandrony. Hatreto, mbola fanontaniana ny amin’ny kianja handraisan’ireo ekipa malagasy ireo ny mpifanandrina aminy. Satria, tsy mbola nahazo fankatoavana ny kianjaben’i Mahama­si­na. Mety hisafidy firenena iray atsy Afrika indray, araka izany, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga hanaovany ny lalaony raha toa ka tsy mbola afaka mampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny eto Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: