Mahatratra 33 ireo mpanamory nisoratra anarana handray anjara amin’ny “Rallye vacances”, andiany faha-18. Fihaonana karakarain’ny klioba Gojang hatao any Mahajanga ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao. Dingana fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny hazakazaka fiarakodia izy ity. Tazana ao anaty lisitra avokoa ireo kalaza lahy amin’ny rallye. Anisan’izany, i Mika sy i Aina avy amin’ny klioba TMF sy FMMSAM. Hitondra ny fiara Mitsubishi EVO X izy ireo. Eo koa i Faniry sy i Mahents, mpanamorin’ny TMF, hijapy ny 208 T16. Ankoatra azy ireo, i Mathieu sy i Herii Possible, avy amin’ny klioba ASACM. Hitaingina ny fiara Subaru kosa izy ireo. Andrasan’ny rehetra ihany koa ny fiverenan’i Ndrianja sy i Fanja, avy amin’ny ASACM hitondra ny Subaru NF Transport. Tsiahivina fa hanana lanjan’isa 1,5 ity rallye vacances ity. Misy dingana manokana «ES» miisa 12, mirefy 121,26 km. Hampiavaka ny rallye vacances ny fisian’ny «ES», hatao amin’ny alina ka hotanterahina ny andro faharoa izany eo anoloan’ny lapan’ny tanàna Mahajanga.
Tompondaka




