ASIEF : Hatao any Manakara ny Asief 2026

Ao anatin’ny famaranana ny fifaninanana avokoa amin’izao fotoana izao, ny taranja rehetra amin’ny fifaninanana Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) tanterahina any Mahajanga. Nisy ny dinika nifanaovana ka efa fantatra sahady fa any Manakara no hanatanterahina ny Asief 2026, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (John Love). Mahakasika ny fifaninanana any Mahajanga kosa, vita ny faran’ny herinandro teo, ny hazakazaka bisikileta ka ny ekipan’ny Primatiora sy ny Fiadidiana ny Repoblika no nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny vehivavy ary ny MEAH no nandresy teo amin’ny lehilahy. Raha ny vokatra ankapobeny kosa, laharana voalohany hatreto ny MFA ary faharoa kosa ny MSP. Mbola mitohy ny lalao ary tsy misy ny olana, araka ny nohamafisin’ny filohan’ny Asief hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: