Efa manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Miisa folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany hiatrika izany.
“Eo amin’ny 600 eony delegasionina ho tonga, ary folo ireo filoham-panjakana efa nanamafy ny hahatongavany. 17 aogositra ny fivorian’ny filoham-panjakana, 15 aogositra dia efa ho tonga, ohatra, ny filohan’i Afrika Atsimo”. Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika sady talen’ny fifandraisana eo anivon’ ny fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Hahazoan’ny vahoaka malagasy tombontsoa amin’ny fifandraisana ara-barotra izao fihaonana an-tampony izao. Eo koa ny fizahantany.
Zava-dehibe ary manan-tantara ho an’ny firenena izao fihaonana an-tampon’ny Sadc raisin’i Madagasikara izao. Sambany ny Malagasy no hitantana an’izany Sadc izany. Teo aloha, nitaraina taminy noho ny disadisa politika; amin’izao, handray ny fitantanana an’izany. Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no voasafidy hitantana izany manomboka amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Nisy ezaka lehibe ara-diplaomatika nataon’i Madagasikara nahatongavana amin’izany. Tokony ho reharehan’ny firenena izany, fa izao i Madagasikara vao handray an’izany fihaonana an-tampon’ny Sadc izany ary hitantana izany ny filoha Rajoelina Andry. Mifampijery ary mijery ny haitarika sy izay azo raisina amin’ny isam-pirenena ireo firenena rehetra mivondrona ao anatin’ny Sadc.
Na izany aza, tsy nafeniny: mampalahelo fa nisy olon-dehibe teto amin’ny firenena nanao fandresen-dahatra nitety an’ireo firenena mpikamban’ny Sadc tsy hamonjy ny fihaonana an-tampony eto Madagasikara ary aza atao eto izany. Eo koa ny hoe tsy mendrika hitantana ny Sadc ny filoha. Alahelo sa fialonana?
R. Nd.




