Raha miady sy mifanasa vangy toy inona aza, ohatra, ny ao an-tokantrano, milamina sy mangina ho azy raha vao misy mandondona ao am-baravarana. Sao fahavalo iombonana na mitondra soa iraisana. Miray hina ho azy izay miady raha vao misy fahavalo iombonana? Na soa miditra; eny, na hoe mety iadiana sy ifarombonana aza izany. Tokony ho izay koa eo amin’ny tontolo politika? Raha ny eto Madagasikara, fitiavan-tseza sy fitiavan-tena no betsaka, araka ny fijerin’ny filohan’andrimpanjakana iray izay. Eo koa ny hoe atao izay hihinanana bebe kokoa.
Amin’izany, resaka ihany ny hoe fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny fiainam-bahoaka. Izay hahazoana ny fahefam-panjakana ihany no zava-dehibe sy mahamaika ary imasoan’ny mpanohitra, ohatra? Izay no mahatonga ny sasany tonga amin’ny fanelezana vaovao tsy marina, fanaratsiana, fanakorontanana… Mandra-pahoviana? Indraindray, mandaitra tokoa ny fanaovana hitsin-dalana, fa tsy ilaozan’izay marivo salosana. Izay no fototry ny krizy politika niverimberina? Vao mainka manapotika firenena sy mampahantra vahoaka… Nefa saika izay fahapotehan’ny firenena sy fahantram-bahoaka izay mandrakariva no tanisaina sy tohatra fiakaran’ny mpanao politika amin’izay kendreny. Saika tsy mahafa-bela…
Mbola ho azo amin’izany ve ny vahoaka amin’izao fahasahiranana lalina sy maharitra izao? Misy hatrany ny fanararaotana politika amin’izay mitranga sy atao rehetra. Tsy lavina, mora ranitina sy andairan-javatra ny vahoaka saro-toerana fa marefo amin’izay misy azy: fiatrehana vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, tsy fisian’ asa… Tsy anjaran’izay ampindraminy fahefana amin’ny alalan’ny asa mivaingana ho amin’ny fihatsaram-piainana àry ve ny mandiso izay tabatabain’ny mpanohitra?
R. Nd.




