Fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana : Hisitraka tombana momba ny fitantanana ny kaominina

Nampahafantarina ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny boky Tombana anatin’ny tondron’ny fitantanana ifotony (Tatfi – AEIGL). Tafiditra amin’ny ezaky ny eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo izany. Eo koa ny fampandrosoana ny eny ifotony. Dingana iray vita amin’ny alalan’ny Drafi-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) ny fahavitan’ity boky torolalana Tombana anatin’ny tondron’ny fitantanana ifotony -Tatfi – “Auto-évaluation de la gouvernance locale – AEIGL” ity. Nambaran’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa natao hanaovana tombana isan-taona ny fitantanana eny ifotony ity boky torolalana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fa­namafisana ny fahaiza-mitantanana mamaly ny filan’ny olom-pirenena eny ifotony.
Nifarimbona tamin’ny fa­moahana ireto boky torolalana “AEIGL 3.0 Dika 2025” ireto ny avy amin’ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola. Anisan’izany ny Unicef, ny Prodecid. Hisitraka sy ha­hazo izany avokoa ireo kaominina miisa 1 695, manerana ny Nosy.
Etsy andaniny, nomarihina ny 10 aogositra teo, ny Andro Afrikanina natokana ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana Ifotony. Ani­san’ny nankalaza izany i Ma­da­gasikara. Natao hanomezam-boninahitra ireo mpitantana eny ifotony sy ireo olom-pirenena miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny fampandrosoana maharitra sy mi­rindra manerana ny Nosy iza­ny. “Miainga amin’ny fampandrosoana eny ifotony, amin’ny alalan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ny eo anivon’ny MFFT.

Synèse R.

Partager sur: