Echecs Analamanga : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana

Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo.

Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Anala­kely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana ny sata mifehy ny ligin’Analamanga no natao nandritra izany. Nandinihina koa ny mahakasika ny fifidianana eo anivon’ny ligy. Ani­san’ny nahitsy ny voarakitra tao anaty sata mahakasika ny klioba, ka lany fa mpikambana eo anivon’ny ligy manomboka izao ny klioba eto Analaman­ga. Tsy mpikambana mivantana amin’ny federasionina in­tsony, araka izany, ny klioba. Ligy 13 tamin’ireo 22, tonga nanatrika fivoriana no nandany io lalàna vaovao ao anatin’ny sata io. Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga iha­ny koa fa amin’ity taona ity ny fifidianana, araka ny fandidiana nataon’ny MJS azy ireo amin’ny hanaovana izany faran’izay haingana.
Mahakasika ity fivoriambe ity hatrany, nanamafy ny filohan’ny ligin’Analamanga fa noho ny fandrahonana nataon’ny federasionina azy ireo no nahatonga ireo klioba sasany tsy tonga nanatrika izany ny sabotsy teo. “Hijoro izahay hiaro ireo klioba hiharan’ny tsindrihazolena”, hoy hatrany ny fanazavany. Efa lasa ihany koa, hoy izy, ny fitoriana ilay “Comité ad’hoc” natsangana tamin’ny tsy ara-drariny izay misalovana ny andraikitry ny ligy.
Ho an’ny fifaninanana kosa, tsy nanamboatra tetiandro ho an’izay mihitsy ny ligin’Analamanga tamin’ity taona 2025 ity amin’ny maha taom-pifidianana azy ka hifantoka tanteraka amin’izany. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga fa manana kandidà hirotsaka hofidina filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja Echecs izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: