«Marathon de Tana» : Hatao ny 12 oktobra izao

Anisan’ireo fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasio­nina malagasin’ny atletisma (FMA), amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ny «Marathon de Tana». Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 12 oktobra ho avy izao izany, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 no nisian’ity fifaninanana ity farany.
Hiverina indray, araka izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, 42, 195 km. Ankoatra izay, hisy koa ny antsoina hoe: “Foulée ecolo”, mirefy
10 km sy ny 2 km ho an’ireo tsy mahazaka ny lavitr’ezaka. Tafiditra ao anatin’ity “Marat­hon de Tana” ity ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy mbola voafaritra aloha hatreto ny lalana holalovan’ity hazakazaka ity. Mbola ao anatin’ny fandinihana izany, amin’izao fotoana izao, ireo teknisianina eo anivon’ny federasiona. Raha ny tsilian-tsofina, hisy fiovana vitsivitsy izany fa tsy toy ny tamin’ny andiany taloha.

Tompondaka

Partager sur: