Misondro-boninahitra

 

Miakatra ambony dia ambony ny toerana misy an’i Madagasikara raha ny momba ny diplaomasia no resahina. Tsy mahasakana ny fisandratana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fisian’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, mamendrofendro sy manaratsy ny tanindrazana iombonana. Ireo natao hanirina no mampivandravandra. Ireo heverina ho mirehareha fa Malagasy no mpanaratsy.
Tsy mampaninona anefa ireny, firenena manan-kasina rahateo ny Nosy malalantsika ity ka tsy handairan’izay volo mpanoha-randrana. Tsy maharakotra firy ny fandoto iray tandroka. Tsy maintsy miroso ny lamasinina haingam-pandeha, izay vao mahazo angovo vaovao indray, hirosoana misimisy kokoa. Tsy i Madagasikara irery intsony ny hotarihina fa firenena 16. Aiza koa no hahita!
Tsy araka ny fanatsatsoana fa mifono herijika lalina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Nomen’ny firenena mpiray vondrona amintsika ny herijika rehetra ahafahana mitrandraka izay azo havadika onja miabo sy havadika politikan’ny fampandrosoana. Tsy isika indray no hilaza fa tsy mahavita! Sanatrian’ny vava ho afa-baraka. Mitaky asa rahateo ny fitantanana ny Sadc.
Tsy sanatria hanao toy ny fary akory i Madagasikara ka ny lohany indray no hatsatso. Tsy miantsy hilofo sy hiezaka mba ho mpitarika maodely amin’ny lafiny rehetra. Tsy afaka ny hanaotao fahatany ka hitafy henatra rehefa tonga ny jery todika sy tombana amin’ny taona 2026. Tena midika ho fanosehana an’i Madagasikara hiakatra ambony izao faneken’ny mpikambana rehetra ny hitarihan’ny filoha, Rajoelina Andry ny Sadc izao.
Tsy voninahitra fa asa, tsy hisehosehoana fa hampisehosehoana an’ilay taninjakana malalantsika ity. Natao ho fanoitra ho tombontsoa iraisana sy ho an’ny besinimaro fa tsy ho an’ny olom-bitsy mandray fahefana fanampiny!

r.r

Partager sur: