Nanomboka omaly, any Angola, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy.
Anio no hiakatra an-kianja ny Malagasy. Hifandona voalohany amin’ny Ankoay, lehilahy, ny ekipan’i Nizeria, ao anatin’ny fifaninanana sokajy Seniors, araka ny fandaharan-dalao. Ny ekipan’i Kameronina kosa ny miandry azy ireo amin’ny zoma 15 aogositra ary ny ekipan’i Tonizia no hamaranana ny fifandonana isam-bondrona, ny alahady 17 aogositra izao.
Vonona ny Ankoay na dia hita aza fa mafy sy manatombo amin’ny lafiny rehetra ireo miray vondrona aminy. Efa nanao fanomanan-tena matotra rahateo ny mpilalao ka hanome ny tsara indrindra amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina, efa iray volana izay no nivondrona sy niatrika lalao ara-pirahalahiana maro ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ity “Afrobasket” ity. Azo lazaina fa mbola tokony ho betsaka kokoa noho io ny fotoana nivondronana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe toy izao.
Tany Frantsa no nanatanteraka ny fampivondronana voalohany ny Ankoay ary niatrika lalao ara-pirahalahiana 2 nanoloana ny ekipa ao an-toerana izay nahazo fandresena hatrany. Nihaona tamin’ ny ekipan’i Côte d’Ivoire ihany koa izy ireo taorian’izay saingy resy. Nitohy tany Espagne izany fanomanan-tena izany, tamin’ny fampivondronana faharoa ka nisy ihany koa ny lalao nihaonana tamin’ny ekipa ao an-toerana ary mbola nahazo fandresena ihany koa.
Mpilalao andrandraina ary tafiditra tao anatin’ny “5 types” hatrany nandritra ny fanomanan-tena i Sitraka, Kiady, Elly, Mathias ary i Lovasoa. Ity farany izay tamin’ny fampivondronana faharoa vao tonga nanatevina ny mpilalao saingy tsara, mivaingana ny fahamatorany.
Mi.Raz




