“Chan 2025”: Mila mandresy ny Barea

Ho fantatra anio ny ho tohin’ny lalan’ny Barea de Mada­gas­car, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan 2025”. Lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, tanterahina atsy Tanzanie. Hifan­dona amin’i Centrafrique ny Barea, anio folakandro, eo amin’ ny andro fahatelo ho an’ny sokajy “B”. Fihaonana hatao ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium. Tsy manan-tsafidy ny ho resy intsony ny Barea raha mbola te ho anisan’ireo hiatrika ity “Chan 2025” ity. Hatreto mantsy, tsy manana afa-tsy isa 1 ny Barea raha 0 kosa ny an-dry zareo Centrafrique.
Tsy maintsy maka isa 3 izany ny Malagasy amin’ity. Vonona ireo mpilalao rehetra hiatrika izany, araka ny nambaran’izy ireo nandritra ny fanazarantena farany, ny alatsinainy lasa teo. Nezahin’ny mpanazatra, ny coach Rôrô, ny nanitsy ireo faha­disoana madinidinika tamin’ireo lalao roa efa vita. Nohamafi­sina ny tanjaka sy ny famonoam-baolina. Nojerena manokana ihany koa ny eo amin’ny vodilaharana, indrindra fa ny tsy fifantohana ka nahatonga ny baolina maty amin’ny tsy misy dikany, toy ny tamin’ny fihaonana tamin’i Tanzanie.

Tompondaka

Partager sur: