Tafaverina an-tanindrazana, omaly, ny ampahany faharoa tamin’ny delegasionina malagasy, niatrika ny lalaon’ny CJSOI 2025, izay notanterahina ny 1 hatramin’ny10 aogositra lasa teo, tany Seychelles. Nandray azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Nasongadiny tao anatin’ny lahateny fohy nataony, ny fankasitrahana feno avy amin’ny fitondram-panjakana, izay tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nanohana zato isan-jato ireo atleta nandray anjara tamin’izany izy. Nahatonga ny atleta hiezaka izay ka nafahana nahazo ireny vokatra tsara ireny. Tsara ny mampahatsiahy fa laharana fahatelo i Madagasikara tamin’ity lalaon’ny CJSOI ity ary mitotaly 49 ny medaly azon’izy ireo : 15 volamena, 19 volafotsy, 15 alimo. Ankoatra izay, fantatra fa horaisin’i Madagasikara ny fampiatranoana ny fivoriamben’ny minisitra eo anivon’ny CJSOI. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny volana novambra ho avy izao izany. Ampahatsiahivina ihany fa ny 26 hatramin’ny 31 novambra ho avy izao, handray ny fihaonamben’ny tanora aty Afrika, « Youth Summit Connekt Africa 2025 », i Madagasikara.
Fitia Randria




