Masina ny aina  

Somary nangingina ny mahakasika ilay resaka Ambo­himalaza tato ho ato. Nivadika ho raharaham-panjakana rahateo izany tranga nahafatesana olona 33 izany. Ampy nanaovan’ny fianakaviana fisaonana rahateo ny fampidirana vonjimaika am-ponja ilay tompom-pety sy ny reniny. Niampy ireo mpiray tsikombakomba mivantana na ankolaka.
Mainka nampiakatra ny moralin’izy ireo ny fandraisana manokana ny fianakaviana teny Iavoloha, omaly. Niampy ny fanomezan-toky hafa mahakasika ny raharaha. Tsy ilay hoe fanampiana no zava-dehibe fa ny fahafahana nihaino mivantana sy nifampizara ny mavesatra. Nisy rahateo ny tsiambaratelo nifampizarana, nentina nanampy azy ireo.
Amin’izao fotoana izao, efa miandry ny raharaham-pitsarana ny mpanara-baovao. Maro ny liana amin’ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitsarana, izay nanome toky fa azon’ny besinimaro hatrehina izany. Andrasana ny tena marina avy eo am-bavan’izay naiditra am-ponja. Mety hisy hatramin’ny vavolombelona tsy ho ampoizina aza.
Ny tena andrandrain’ny maro dia ny antony nahatonga ny vono olona mahatsiravina tamin’ny fanapoizinana iny. Marina fa efa nivoaka ny filazana ho valifaty sy lonilonin’ny mpianakavy no antony saingy mbola maro ny misitery manodidina ny raharaha. Andrasana ihany koa ny tomponandraikitra nahatonga ny fielezana diso tafahoatra ny vaovao diso sy nanakorontana fiarahamonina.
Iza no mahazo tombony amin’ny adin’ny mpianakavy? Maninona no mivadika ho raharaham-pirenena na­havoatonontonona minisitra isan-karazany izany? Inona ny ampaham-baovao tsy mbola fantatry ny mpiray tanindrazana? Mafy ny fisarahana an-tany, saingy andrasana ihany koa ny vaovao fantatry ny havan’ny maty.
Mety hanova zavatra maro, hanampy ny fanahin’ny maty mba handry am-piadanana izany satria masina ny aina. Hampikombona ny vavan’ireo mpanararao-paty ihany koa mitady laza. Indrindra mba hanamaivana ny alahelo izay tsy ho voafafa vetivety.

r.r

Partager sur: