Fifidianana ny birao foiben’ny FJKM: Nanafatrafatra ny filoha Andriamahazosoa Irako Ammi

Nanomboka omaly, any Taolagnaro, ny Synaoda lehibe faha-20 eo anivon’ny FJKM. Anisan’ny hofidina amin’izany ny ho filoha hitarika ity fiangonana ity, manomboka izao.

Nambaran’ny filohan’ny FJKM am-perinasa, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, ary notsiahiviny fa anisan’ny andraikitra lehibe horaisin’ny filoha sy ny birao ho voafidy eo ny fanatanterahana ireo vina sy ny tetikasa hotapahina mialoha amin’izao Synaoda izao. “Aoka mba ho ny hevitr’i Jesoa Kristy no hotanterahina ary izay olona fidiny no hanatanterahana ny fikasan’ny fiangonana”, hoy izy, tany an-toerana. Tafiditra amin’ny fandaharam-potoana ny fampirantiana momba ireo sehatrasa eo anivon’ny fiainan’ny fiangonana sy ny fandaminana ny tohin’ny fivoriana. Hivory ireo vaomiera isan-tokony hanao tombana ireo asa vita teo aloha ary koa hamariparitra ireo vina hotanterahina ao anatin’ny efa-taona manaraka. Hitohy amin’ny fifidianana ireo hisahana ny ho mpiandraikitra foibe miisa 100 izany avy eo. Miainga amin’ireo olona an-jatony ireo indray kosa avy eo no hisafidianana ny ho filohan’ny FJKM sy ny lefiny, laika, ary ireo mpikambana hafa hitantana ny fiangonana ao anatin’ny efa-taona manaraka. “Hamarana ity synaoda ity ary hitarika ny fivoriana ireo birao foibe aorian’izany”, hoy ihany ny filohan’ny FJKM am-perinasa. Hiara-dalana amin’izany ny fivoahan’ny gazetin’ny fiangonana isan’andro amin’izao synaoda izao.

Tsy anisan’ny mpifaninana intsony ny filoha am-perinasa
Etsy andaniny, efa tsy anisan’ireo mpifaninana sy hihazakazaka amin’izany toeran’ny ho filoha izany intsony ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi noho ny salan-taonany, efa mihoatra araka ny voalazan’ny satan’ny fiangonana.
Tsiahivina fa hifarana ny 20 aogositra izao izany fihaonambe eo anivon’ny FJKM izany.
Araka izany, hitodika any amin’ity synaoda tanterahina any Taolagnaro ity ny mason’ny mpanara-baovao ato ho ato, indrindra amin’ny ho filoha hitarika izany fiangonana izany, manomboka izao.

Synèse R.

Partager sur: