Nanokafana ny fihaonan’ny governora, Vyvato Rakotovao, tamin’ireo mpanao gazety tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny momba ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety. Nitondran’ ireo mpanao gazety fanazavana manokana ny olana sy ny filany amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny fikaroham-baovao. “Mazava ny fomba fiasa napetraky ny fiadidiana ny faritra fa misokatra amin’ny sehatra marolafy izy ireo. Manome sehatra malalaka ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera izahay”, hoy ny governora, tamin’ny fanazavany. Nambarany ho porofon’izany ny fanokanana fotoana hifampizarana sy hifanakalozana amin’ireo mpanao gazety isam-bolana tahaka izao. Tsara alain-tahaka izany ary anisan’ny fomba fiasa mahomby mamaly ny vinan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, momba ny fanjakana tsara tantana, araka ny nambarany. Nanteriny fa manahirana ny mitantana firenena demokratika tsy ampy serasera.
Ankoatra izany, voaresaka ny fanamboarana ny lalana RN7, ny fanomanana ny hetsika ara-ekonomika, toy ny “Tsenaben’ny aty matavy any Behenjy” sy ny” Festival de la RN7″. Eo koa ny resaka tany eny amin’ny Parc de l’Est. Ny fanarenana ny tsenan’ny Sabotsy. Anisan’ny nandray andraikitra tamin’ny fanadiovana sy ny fitadiavana lalam-bola ny faritra, hanarenana ny tsena. Nanao tatitra ny diany tany Sina koa ny governora Vyvato Rakotovao. Nambarany koa ny fahombiazan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana nataon’ireo talem-paritra vokatry ny fihaonana amin’ny mpanao gazety isam-bolana.
Synèse R.




