Kaonferansan’ny Sadc: Hiato ny asa eny Ambohitsaina

Miato vonjimaika ny asa rehetra eny amin’ny “Campus” Ambohitsaina, anio maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro. Anisan’ny miato amin’izany ny fampianarana na ny lafiny fitantanan-draharaha. Na izany aza, hizotra tahaka ny andavanandro ny asa aman-draharaha any amin’ireo oniversite sisa. Noraisina izany fepetra izany noho ny fampiantranoan’ny Anjeri­manontolon’Antananarivo ny kaonferansa lehibe eo anivon’ny Vondron’ireo firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika (Sadc). Anisan’ny hiompanan’ny famelabelaran-kevitra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasam-paritra mba hanafainganana ny fampiasana angovo azo havaozina. Manampy izany ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc.
Tsiahivina fa ireo olona manana fanasana manokana na karatra fahazoan-dàlana “Accréditation” ho an’izao fivoriana izao ihany no avela hiditra mandritra io fotoana io.

Synèse R.

Partager sur: