Tao anatin’ny fitaintainana tanteraka vao nahita fandresena ny Barea de Madagasikara, omaly, tany Tanzanie. Resin’izy ireo 2 no ho 0 i Centrafrique.
Ela ny ela! Nahita fandresena tamin’ity fifanintsanana “Chan 2024”, izay tanterahina any Tanzanie, Ouganda, Kenya, ity, ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 2 no ho 0, i Centrafrique, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Benjamin Mkapa Stadium, Tanzanie.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry teo amin’ny fidirana voalohany ry zareo avy atsy Centrafrique. Baolina maro no efa saika tafiditr’izy ireo tamin’izany, saingy mbola navotan’i Toldo, mpiandry tsatoby Barea avokoa izany. Tany amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady avy hatrany ny mpanazatra ny ekipa nasionaly malagasy, Rakotondrabe Romuald Felix, na Coach Rôrô.
Nametraka fanoloana mpilalao sy taktika izy. Ao anatin’izany ny fanoloana an’i Dax, ary nampidirana an’i Gone. Niakatra nanolo ireo namany ihany koa i Toky, i Dahery sy i Fenohasina Gilles ary i Mamisoa. Niala nanaraka an’i Dax, ry Felly, i Andy, raha tany amin’ny minitra faha-75, vao nesorina i Jean Luc.
Nody ventiny
Azo lazaina fa nahomby ny paikady vaovaon’ny Coach Rôrô, nanakobana ny harato tany amin’ny minitra faha-84, i Toky, lohalaharana malagasy. Tokony ho mbola nahatafiditra fanindroany ihany moa izy, saingy tsy nifanitsy tamin’ny harato ny dakany, na dia efa tsy nisy mpiandry harato nanakana intsony aza. Valim-panafihana teo amin’ny fanalavam-potoana (90 min+3) no nahafahan’i Lalaina, nanatombo ny isa ho lasa 2 teny amin’ny solaitrabe.
Mbola manana ady farany amin’i Burkina Faso i Madagasikara, ary tsy maintsy mandresy izy ireo raha tiany ny ho tafita any amin’ny dingana manaraka.
Fitia Randria




