Ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano no hanatanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, ho an’ny taona 2025. Ny 24 sy 28 aogositra izao no hanaovana ity fifaninanana ity izay mbola mitohy ny fifaninanana.
Hihemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona izay tokony hatao ny faran’ity herinandro ity. Noho ny fahateren’ny fotoana, taorian’ny CJSOI farany teo, no anton’izao fanemorana izao.
Noho ny tsy fahazoan’ny Kianja Barea fankatoavana tamin’ny Caf, voatery hilalao any ivelany indray ny Barea de Madagascar sy ireo klioba roa, Elgeco Plus sy AS Fanalamanga, izay solontenan’i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana Caf. Samy manana vina ny hilalao any Afrika Atsimo moa ireo klioba roa.




